4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny sambokelinay - AMIT(Asa Mamokatra Ifanasoavan'ny Tanora)





Ny Sambokelinay ry Jeso Tompo!

Atopatopan’ny Onja ka manahy,

Ny tsy ho tody an-tseranana fa,

Mila ho rendrika andalana.



   Ref.:Aza avelanao angahiahy

          Ity Fo, izay miandrandra anao

          Tompo ô henoy izao vavako izao

          ô! atolory re ny tananao

          Raiso  ho eo ambany elatrao!



Ry Tompo ô! Ilay finoako anao!

Dia atanjaho, tsy hanana ahiahy

Mba andresako izao tontolo izao

izay mikasa ny handavo ahy



   Ref. : Aza avelanao....................



Ry Tompo ô! ilay fanantenana,

no entinay hanaradia anao,

Ny tahotray, izay mampihanahana

dia ankininay an-tratranao



    Ref.: Aza avelanao......................;



                                    AMIT

                      Tonony sy Feony : Neneh!

Partager ny sambokelinay

Commenter ny sambokelinay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMIT(Asa Mamokatra Ifanasoavan'ny Tanora)